Psalms 38

Fivavak’ izay ory dia ory indrindra

Salamo nataon’ i Davida. Ho fampahatsiarovana.

1

2Jehovah ô, aza ny fahatezeranao no ananaranao ahy; ary aza ny fahaviniranao no amaizanao ahy. 3Fa mitsatoka amiko ny zana-tsipìkanao, ary manindry ahy mafy ny tananao, 4Tsy misy fahasalamana ny nofoko noho ny fahatezeranao; tsy misy tsy marary ny taolako noho ny fahotako. 5Fa ny heloko efa mihoatra ny lohako; tahaka ny entana mavesatra izy ka tsy zakako. 6Maimbo sady mihady ny feriko noho ny hadalako. 7Mitanondrika sy mijoretra indrindra aho, ary misaona mandrakariva. 8Ary ny vaniako henika ny aretina mahamay, ka tsy misy fahasalamana ny nofoko. 9Marikoditra aho sady torovana indrindra; midradradradra aho noho ny fitolokon’ ny foko. 10Ry Tompo ô, eo anatrehanao ny faniriako rehetra; ary ny fisentoako tsy mba miafina aminao. 11Miemponempona ny foko, lany ny heriko, ary ny fahiratan’ ny masoko aza efa nandao ahy. 12Ny olo-malalako sy ny sakaizako aza efa manalavitra ny fahoriako; Ary ny havako mijanona eny lavitra eny. 13Mamela-pandrika izay mitady ny aiko; ary izay mitady hanimba ahy miteny fanimbana, sy misaim-pitaka mandrakariva. 14Fa izaho dia tahaka ny marenina ka tsy mandre, ary tahaka ny moana ka tsy mahaloa-bava; 15Eny, dia tahaka ny olona tsy mandre, sady tsy misy teny havaly eo am-bavany. 16Fa ianao no antenaiko Jehovah ô; ianao no hamaly, ry Tompo Andriamanitra ô. 17Fa hoy izaho: sao dia hifalian’ izy ireo anie aho; ary raha mibolisatra ny tongotro, dia hirehareha amiko izy. 18Fa efa ho lavo aho, ary ny fanaintainako dia tsaroako mandrakariva. 19Fa ny heloko no hambarako; matahotra
Na: Malahelo.
aho noho ny fahotako.
20Fa ny fahavaloko velona ihany sady mahery; ary maro no mandrafy ahy tsy ahoan-tsy ahoana; 21Ary mamaly ratsy ny soa izy ireo ka mandrafy ahy ho valin’ ny fanarahako ny tsara. 22Aza mahafoy ahy, Jehovah ô; Ry Andriamanitro ô, aza manalavitra ahy. 23Faingàna hamonjy ahy, ry Tompo, Mpamonjy ahy ô.
Copyright information for Mg1865